Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadinana BEPC: hosantarina amin’ny taranja malagasy sy SVT anio

Fanadinana BEPC: hosantarina amin’ny taranja malagasy sy SVT anio

Hatry ny omaly, tsindrin-daona ireo mpianatra hiatrika fanadinana BEPC nandeha nijery ny efitranom-panadinany. Nirodorodo teny amin’ny foibem-panadinana nisy azy avy izy ireo namantatra ny efitrano nisy ny laharany.

Niditra tamin’ny 7 ora sy sasany ireo mpianatra hiatrika ny taranja Malagasy, io maraina io. Haharitra telo sy fahefany izany ary hodimbiasin’ny taranja SVT izay haharitra ora roa.

Mahatratra 347 946 ireo mpiadina manerana ny Nosy ao anatin’ny Cisco 114. Mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 1 032 izy ireo, ahitana efitrano 8 858. Toerana 167 kosa no hanaovana ny fitsarana ny taratasim-panadinana.

Ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra manokana, niakatra 12% ny isan’ireo mpiadina raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. 27 985 izy ireo amin’ity taona ity raha 24 560 ny tamin’ny taon-dasa.

Tsiahivina fa nandalo fotoan-tsarotra ireo mpianatra tamin’ity taom-pianarana ity. Anisan’izany ny fahatapatapahan’ny fianarana vokatry ny fisian’ny valanaretina pesta, ny rivodoza niteraka fiakaran’ny rano, ny fitokonan’ny mpampianatra nitarika hatramin’ny fikatsoan’ny fampianarana nandritra ny telo volana.

Nikorontan-tsaina ireo mpianatra nanoloana ireny rehetra ireny ary nanahy ny taona fotsy mihitsy. Na teo aza anefa izany rehetra izany, tanteraka ihany ny fanadinam-panjakana izay haharitra efatra andro manerana ny Nosy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.