Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: hoavy ny fitaovana fanadiovan-drano

Toamasina: hoavy ny fitaovana fanadiovan-drano

Nanazava ny mikasika ilay fanadiovan-drano vaovao antsoina hoe “Purific” tao Ambalamanasy, Atoa Willie De Klerk, zafikelin’ny filoha afrikana tatsimo teo aloha, i Frederik De Klerk.

Nandritra ny 14 taona niasany tao Toamasina tamin’ny fanorenana ny orinasa Ambatovy amin’ny maha injeniera momba ny herinaratra azy, izay nohararaotiny nitsidihana an’i Madagasikara, no nahatsapany fa tena olana goavana eto amintsika ny resaka rano fisotro madio. Taorian’ny fiverenany tany afrika atsimo, nitady hevitra niaraka tamin’ireo injeniera namany ingahy Willie De Klerk ka nahita ity “Purific” ity izay ezahiny haparitaka manerana ny Nosy ho fanomezan-drano ara-pahasalamana ho an’ny Malagasy.

Fonosana kely 4g izy ity nefa afaka manadio rano ara-pahasalamana mifatra 25 litatra. Manomboka ny 19 septambra izao no ho tonga eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina
ity fomba fanadiovan-drano ara-pahasalamana ity, ezahina haparitaka eran’ny Nosy amin’ny fiaraha-miasany amin’ireo fikambanana samy hafa sy ireo sehatra tsy miankina ary ireo mpaninjara, indrindra ny eny ambanivohitra.

Ankoatra izay, ny volana desambra izao no tena hipetraka eto Madagasikara ka nisafidy ny kaominina Manompana izay nosafidiany ho toerana handevenana azy amin’ny fotoana mety hahafatesany, araka ny faniriany

Sajo

Les commentaires sont fermées.