Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa Fiantse: hatsaraina ny zaridaina an-tsekoly

Tetikasa Fiantse: hatsaraina ny zaridaina an-tsekoly

Hapetraka amin’ny  EPP 120 ny tetikasa Fiahiana an-tsekoly (Fiantse) amin’ny fametrahana zaridaina hambolena legioma sy anana na koa hazo fihinam-boa azo avadika ho sakafo, hanatsarana ny kalitaon’ny sakafo zaraina any an-dakilasy. Hisantarana ny hetsika Cisco Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano miaraka amin’ny sekoly tsy miankina manome lanja ny vokatra misy eo an-toerana hamatsiana ny toeram-pisakafoana ao aminy. Efa nanaovana andrana ny EPP Anosibe ary nahitam-bokatra sahady. “Iray volana ka hatramin’ny telo volana dia efa misy vokatra miakatra azo atao sakafo any an-dakilasy”, hoy ny mpandrindra nasionaly ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo, Raveloharison Ambinintsoa, omaly teny Anosy. Fantarina miaraka amin’ny fikambanana Patrakala ny toe-tany sy ny voly mety amin’izany, arakaraka ny faritra misy ny sekoly. “Voaporofo fa manampy amin’ny fitazonana ny ankizy any an-dakilasy sy manatsara ny taham-pahafahana amin’ny fanadinana CEPE ny fisian’ny sakafo any an-dakilasy… niakatra 94% ny taham-pahafahana CEPE raha 60% ny taha nasionaly”, hoy ny minisitry ny Fanabeazana, i Horace Gatien. Manohana ara-teknika ny famolavolana ny antontan-kevitra hanatsarana ny sakafo any an-dakilasy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Hisahana amin’ny fanentanana kosa sy hampahafantatra ny tetikasa ny fikambanan’ny tanora mpanao gazety (AJJM). Ho an’ny faritra Analamanga, mpianatra 1000 no efa mikirakira ny zaridaina any an-tsekoly amin’ny tetikasa Fiantse. Noraiketina an-tsoratra, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny efatra tonta ho an’ny tetikasa.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.