Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nomena lanja ny mpianatra: nankatoavina ny rinjan-teny mifehy ny LMD

Nomena lanja ny mpianatra: nankatoavina ny rinjan-teny mifehy ny LMD

Nankatoavina, omaly, teny Andrainarivo ny rijan-tenin-dalàna vaovao hifehy ny fampiharana ny rafitra LMD. Nisongadina tao anatin’izany ny fanomezan-danja ny mpianatra ka napetraka ao anatiny lalàna vaovao ny fahazoan’ny mpianatra avy amin’ny oniversitem-paritra mifindra oniversite amin’ny toerana mety aminy. Amin’ny ankapobeny, mbola mijanona eo amin’ny diplaoma licence no omen’ny onivesitem-paritra ka tokony ho afaka manohy fianarana eny anivon’ny oniversite lehibe ny mpianatra raha haka ny mari-pahaizana Master I-II, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fanohanana ny fampianarana ambony, Rakotomahevitra Andrianelison. Nojerena manokana koa ao anatin’ny rijan-teny vaovao ny mpianatra manana fahasembanana samihafa nefa vonona hanohy fianarana ambony. Efa misy rahateo ny antontan-kevitra momba ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fampianarana ambony ka tsy maintsy ampanarahana an’ireo ny lalàna vaovao.

Manomboka izao, didim-panjakana fa tsy lalàna intsony no mamaritra ny fampiharana ny rafitra LMD. Minisitera maromaro ankoatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony no miara-voakasika : ny minisiteran’ny Fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Asam-panjakana. Nampiharina tao anatin’ny dimy taona voalohany ny rafitra LMD ary nojerena ny lesoka. Nisy ny fakan-kevitra teny anivon’ny onivesite enina ka efa naravina ho antontan-kevitra iray. Nampahafantarina niaraka amin’ny rijan-teny vaovao ny sata hifehy ny tahiry entina hampiroboroboana ny fikarohana sy ny fampianarana ambony.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.