Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nankasitrahana ny mpiasa 134: mitohy ny fametrahana ny oniversitem-paritra 

Nankasitrahana ny mpiasa 134: mitohy ny fametrahana ny oniversitem-paritra 

Nankasitrahana ny mpiasa 134 ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny alakamisy lasa teo, teny Fiadanana. Notolorana mari-boninahitra izy ireo, 80 mbola am-perinasa ary 54 no efa lasa nisotro ronona. Efa an-taona maro (nanomboka ny taona 2010 no ho mankaty ) no tsy nisy intsony ny fizarana mari-boninahitra tahaka izao, hoy ny minisitra  mpiahy, Rasoazananera Monique. 46% amin’ireo lehilahy avokoa ary vehivavy ny ambiny.  Telo notolorana ny Grand Officier de l’Ordre national, 40 ny commandeur nozaraina ary 61 nahazo ny Officier.

Fankasitrahana ny asa vitan’ny mpiasa no anton’ny fanomezana mari-boninahitra. Nisy ny ezaka nataon’ny mpiasa nanoloana ny tsy filaminana isan-karazany teo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Ankehitriny, tratra ny tanjona ary nandray anjara betsaka tamin’izany ny  mpiasa rehetra. Maro koa ny asa natao teo amin’ny fitantanana sy ny fandrindrana, indrindra ny rafitra LMD. Nisy ny famahana ny olana momba ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Asa mbola mitohy hatramin’izao ny fametrahana oniversite manakaiky ny vahoaka.  Porofon’izany, nahazo fotodrafitrasa vaovao ao Ihorombe ka vao napetraka tamin’ity herinandro ity ny vatofehizoro. Efa misy koa any Anosy, Soavinandriana, Farafangana, Ambalavao, Morondava, Fenoarivo Atsinanana, Mandritsara, Ambatondrazaka.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.