Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Malaza: jiolahy tratra teo ambony andrin-jiro

Malaza: jiolahy tratra teo ambony andrin-jiro

Nidoboka am-ponja avy hatrany rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly ilay jiolahy nikasa hangalatra panneau solaire teny amin’ny Digue eo anelanelan’i Malaza Ampitatafika sy Fenoarivo, distrika Antananarivo Atsimondrano. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Fenoarivo no nahasambotra ity jiolahy ity, ny alatsinainy 27 aogositra 2018 tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina. Tsy nanampo ity lehilahy ity fa zandary manao fisafoana amin’ny alina tao anaty fiara sivily iray no nahatsikaritra azy ka nidina nisambotra azy avy hatrany. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary no nahafantarana fa avy eny Ambohimangakely ity jiolahy ity no tonga mangalatra panneau solaire eny Fenoarivo. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa vao avy nahavita sazy tany Antanimora noho ny halatra, iray volana lasa izay izy, saingy izao nanohy  ny asa ratsiny izao indray nony nivoaka ny fonja. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny zandary amin’ny asa fiarovana nankinina aminy ary manentana hatrany izy ireo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitam-baovao raha misy trangan-javatra mampiahiahy.

J.C

Les commentaires sont fermées.