Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana: hikatona ny sampana vonjitaitra

Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana: hikatona ny sampana vonjitaitra

Ao anatin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny sampana vonjitaitra (service des urgences) eo anivon’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana (CHUJRB) amin’izao fotoana izao.

Miato vonjimaika, araka izany, ny fandraisana marary eo anivon’io sampandraharaha io  manomboka androany 30 aogositra 2018 hatramin’ny alakamisy 6 septambra 2018 ho avy izao.

Ireo manana marary ilana famonjena haingana, mila manatona avy hatrany ny sampana vonjitaitra eny anivon’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha (urgences HUJRA) na eny amin’ny sampana vonjitaitra hopitaly Andohatapenaka (urgences CHU Andohatapenaka).  Iangaviana isika izay manana marary ilana famonjena haingana.

Mizotra araka ny tokony ho izy kosa ny asa fitsaboana amin’ny sampandraharaha hafa rehetra ao amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana. Miasa avokoa ireo dokotera sy ny mpiasan’ny hopitaly rehetra mampihodina ny raharaha fandraisana ireo marary.

Mila mivantana avy hatrany eny amin’ireo hopitaly roa efa voatondro, araka izany, ireo manana marary mila vonjy maika mba tsy hivezivezy sy ho lany fotoana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.