Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CEPE « session spéciale »: 83,73% ny taham-pahavitrihana

CEPE « session spéciale »: 83,73% ny taham-pahavitrihana

Nilamina, tamin’ny ankapobeny, ny fizotran’ny fanadinana CEPE « session speciale »natao tamin’ireo Cisco 15 amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy i Sava. Niakatra ihany koa ny taham-pahavitrihan’ny mpiadina satria nahatratra 83,73% izany.

Hivaly amin’ity herinandro ity ihany izany fanadinana CEPE izany, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany koa fa efa voavolavola nialoha ny fitokonan’ny mpampianatra ny laza adina telo nofantenana ho an’ny fanadinana CEPE. Anjaran’ireo mpampianatra ny manao soso-kevitra amin’izany laza adina izany ary atolotra ny Zap. Ny avy ao amin’ny Zap indray, manao ny fifantenana ka mampiakatra izany eny anivon’ny Cisco. Aorian’ny fandinihan’ny Cisco ireo laza adina no hampiakarana izany any amin’ny Dren ka ny Dren indray, mandefa izany any amin’ny minisitera.

Ny minisitera kosa avy eo no manao ny fitantenana ireo laza adina telo farany hotanterahina amin’ny fanadinana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.