Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley-ball – «Analamanga 2018»: tompondaka ny Bi’As sy ny GNVB

Volley-ball – «Analamanga 2018»: tompondaka ny Bi’As sy ny GNVB

Nifarana tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny asabotsy 25 sy omaly alahady 26 aogositra, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Norombahin’ny ekipan’ny Bi’As, ny voalohany teo amin’ny sokajy «sénior», vehivavy. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana ny VBCD. Tamin’ny seta tery, 3 no ho 2 no nibatany ny fandresena, tamin’ity.

Niady hatramin’ny farany, ny lalao satria tany amin’ny «tie-break», vao tafavoaka ho mpandresy ny Bi’As. Nifandimbiasana ny nitarika ny seta. Lasan’ny VBCD, ny voalohany (25/23). Naneho ny fahaiza-manaony kosa i Rose de Lima sy i Jessy, teo amin’ny seta faharoa ka lasan’ny Bi’As, tamin’ny isa 22/25 izany ary mbola norombahiny indray ny seta fahatelo. Nanohitra kosa anefa avy eo ny VBCD ka nosahalainy indray izany (25/19). Tsy navelan’ny Bi’As kosa nefa raha tsy lasany ny seta farany, niafara tamin’ny isa 15 no ho 12. Voahosotra ho tompondaka kosa teo amin’ny “senior” lehilahy, ny GNVB rehefa nanilika ny JSA (B), tamin’ny seta mazava 3 no ho 0.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.