Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Frantsa: nifindra ao amin’ny Clermont FC i Faneva

Kitra any Frantsa: nifindra ao amin’ny Clermont FC i Faneva

Niala tao amin’ny Le Havre, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar ary nifindra ao amin’ny Clermont Foot 63. Notontosaina omaly alahady ny fifanarahan’ny roa tonta, haharitra herintaona, azo havaozina. Raha tsiahivina, nandalo fotoan-tsarotra i Faneva, nanomboka ny fiandohan’ity taona ity, tao amin’ny Le Havre, satria zara raha nahazo lalao. Tsy nahatafiditra afa-tsy baolina roa izy, tamin’izany.

Ankehitriny, mitady azy fatratra ny Clermont FC 63, ary manantena fa hitondra ny traikefany, eo amin’ny famonoam-baolina, mandritra ny fifaninanana “Ligue 2”, any Frantsa. 34 taona ny lehilahy, amin’izao fotoana izao, saingy mbola ao anatin’ny tanjany tsara ary mbola manana ny fahaiza-manaony tanteraka.

Raha tsiahivina, ny taona 2007 no tonga tany Frantsa i Faneva Ima, nisantatra ny filalaovana tao amin’ny FC Nantes, ny taona 2007 – 2009. Nifindra tao amin’ny AS Cannes, US Boulogne, Amiens SC, AS Beauvais Oise, US Créteil-Lusitanos, FC Sochaux-Montbéliard ary tao Le Havre, ny farany teo.

Tsiahivina fa hiatrika ny fihaonana hifandonan’ny Barea amin’i Sénégal, ny alahady 9 septambra, ho avy izao, etsy Mahamasina, izy. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana ny Can 2019.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.