Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila averina ny hasin’ny fahefam-panjakana”

Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila averina ny hasin’ny fahefam-panjakana”

Manamafy hatrany… “Tsy hisy fandriampahalemana raha tsy atomboka averina ny hasin’ny fahefam-panjakana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nihaona tamin’ireo tomponandraiki-panjakana, olom-boafidy, firaisamonina sivily, sns, any Ambanja, faritra Diana, afakomaly.

Tsy misy intsony ny hasin’ny fitondram-panjakana raha tsy hay ny manaja ny filohan’ny Repoblika, ny praiminisitra sy ny mpikamban’ny governemanta, ny tomponandraikitra amin’ny faritra toy ny lehiben’ny faritra, ny lehiben’ny distrika, ny prefet… Ankoatra ny mpiasam-panjakana, eo koa ny mpitandro filaminana.

“Mahamenatra ny fahitana tsikombakomba misy eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy”, hoy izy. Noho ny tsy fandraisana andraikitra sy ny kolikoly no mahatonga ny tsy fandriampahalemana,  hita fa manapotika ny firenena. Eo koa ny fitsarana mitanila, mandray kolikoly, tsy mikatsaka afa-tsy tombontsoa…

Tsy tokony hitanila ny fitondram-panjakana

Manamafy ny tokony hitanana ny rijantenin-dalàna momba ny tsy fitanilana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny praiminisitra amin’izao fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Hatramin’ny fotoana farany hivoahan’ny voka-pifidianana izany,  amin’izay olona voakasik’izany.

Ho an’ny faritra Diana manokana, nomeny toromarika ny amin’ny tsy tokony ho lalana fanadiovana omby halatra ny any amin’ny faritra avaratra, indrindra ny fijerena fotsiny ny omby mandalo. Tsy maintsy mandray andraikitra ao anatin’ny fotoana fohy ny manampahafena any an-toerana sy ny mpitandro filaminana.

Mba hajanona ny lalana any avaratra hoe fanadiovana omby halatra fa henatra ho an’ny faritra. Be ny olona maty sy mitaintaina ao amin’ny toerana nahazoana ireny omby halatra ireny. Tsy safidin’ny faritra avaratra ny ho lalana fanadiovana omby halatra, indrindra ho fivoahan’izany any ivelany na aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Nanohy fivoriana atrikasa tany Nosy Be sy Mahajanga ny praiminisitra sy ny minisitra vitsivitsy, omaly. Nohamafisiny hatrany ny amin’ny famerenana ny hasin’ny fahefam-panjakana, ny tsy fitongilanan’ny tompondraiki-panjakana amin’ny fifidianana, ny ady amin’ny kolikoly…

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.