Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra Analamanga: nijanona tsy ho mpanazatran’ny Elgeco Plus i Hery Be

Kitra Analamanga: nijanona tsy ho mpanazatran’ny Elgeco Plus i Hery Be

Vaovao iray lehibe, nanaitra ny sain’ny mpitia baolina kitra teto Analamanga sy manerana an’i Madagasikara, ny nandrenesana fa nijanona tsy nitondra ny ekipan’ny Elgeco Plus intsony, Rabeharisoa Hery Manitra (Hery Be). Efa tsy nanazatra io ekipa io intsony ny tenany, nanomboka ny talata lasa teo.

Voalazan’ny loharanom-baovao fa tsy mety sy tsy mifanaraka amin’ny mpilalaon’ny Elgeco Plus ny taktikan’ny mpanazatra ka nahatonga ireny vokatra mitotongana, teo amin’ny ekipa ireny. Nanomboka teo amin’ny fifanintsanana niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany, nitohy teo amin’ny “poule des as”.

Marihina fa hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Madagascar”, hikatrohana amin’ny Hzam Amparafaravola, hatao any Mahajanga, ny alahady ho avy izao, ny Elgeco Plus. Ny Me Roum sy Bob ary i Tiana, izany no mitondra vonjimaika ny ekipa aloha hatreto.

Raha tsiahivina, ny tapatapaky ny volana febroary lasa teo, no nantsoin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny Elgeco Plus, hitondra ny ekipa i Hery Be. Nihazakazaka be ny vokatra azon’ny Elgeco Plus, teo amin’ny fifaninanana, teo anivon’ny ligy satria avy hatrany dia nandrombaka ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taona 2018.

Tafiditra, niatrika ny “poule des As”, dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ary izao, tonga eo amin’ny ampahefa-dalan’ny amboara ihany koa.

Andrasana indray izany, izay mety hisolo ny toeran’i Hery Be, ao amin’ny Elgeco Plus sy ny ho vokatra ho azon’ny Elgeco Plus, eo amin’ny tohin’ny fifaninanam-pirenena hatrehiny, amin’izao fotoana izao.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.