Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: tratra i Leonard, nisandoka ho zandary

Toamasina: tratra i Leonard, nisandoka ho zandary

Voasambotry ny zandary tao Ambolomadinika Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, i Leonard, 30 taona nisandoka ho zandary ary milaza fa afaka mampiditra ho zandary. Misoloky amin’ny fampiasana diplaoma oniversite sy tafika koa ity zandary sandoka ity ary milaza ho mahay manao fanafody gasy hiarovana ny loza sy mahatafiditra miasa izy. Araka ny fanazavan’ny chef d’escadron, Rajaohasina Délson Andrien, kaomandin’ny sampam-pikarohana sy ady heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina, manamboninahitra iray miasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nahatsikaritra olona manao fanamiana zandary ka nanatonany nojerena akaiky. Tsy nahay ny fombafomba fanaon’ny zandary raha olona mbola tsy mifankahalala anefa ilay zandary sandoka tamin’io fotoana io. Nampiahiahy izany ka voatery nisava ny teny aminy ilay manamboninahitra ary nitondra azy eny anivon’ny sampam-pikarohana momba ny ady heloka bevava nanaovana famotorana. Hita tany aminy, nandritra ny fisavana azy, ny karazana karatra miendrika fisandohana sy fisolokiana sy diplaoma sandoka. Nohamafisin’ny kaomandin’ny borigady misahana ny heloka bevava ao amin’ny zandarimaria ao Toamasina fa tsy hijanona eo ny fanadihadiana fa mbola hatao izay hamantarana ny niavian’ny fanamiana sy ny galona zandary nampiasainy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.