Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mam Rakoto: mandalo eto an-tanindrazana

Mam Rakoto: mandalo eto an-tanindrazana

Mamy Njila ny ahafantaran’ny maro azy… Mam Rakoto kosa ny anarana entin’ity mpanakanto ity, amin’izao fotoana izao. Mandalo eto an-tanindrazana ity mpikambana ao amin’ny tarika Njila ity amin’izao fotoana izao. Fantatra fa hisy ny seho an-tsehatra hataony, ny zoma 24 aogositra izao, eny Anosizato. Hifampizara sehatra amin’i Lilie sy i Elsie i Mam Rakoto, amin’io fotoana io. Tsy sambany akory izany fiarahana izany, saingy anatin’ny fanomanana izay hira hatolotra ireo mpankafy kosa izy ireo.
Ankoatra ny maha tarika Njila azy, mpikambana sy nanangana ny Gasy Music ihany koa i Mam Rakoto. Tarika mivoy ny mozika malagasy any ivelany any izy io. Andrasana ny hiakaran’i Mam Rakoto ny sehatra lehibe kokoa, eto an-tanindrazana. Toraka izany koa ny rakikira, izay tsy mbola nisy niparitaka taty.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.