Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy – «Cosafa 2018»: hatao ao amin’ny Port Elizabeth ny 12 – 22 septambra

Kitra vehivavy – «Cosafa 2018»: hatao ao amin’ny Port Elizabeth ny 12 – 22 septambra

Hotanterahina ao amin’ny kianja Wolfson, mahazaka mpijery 10 000 sy ao Gelvandale, ao amin’ny Port Elizabeth, Afrika Atsimo, ny 12 ka hatramin’ny 22 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny «cosafa 2018», taranja baolina kitra ho an’ny sokajy vehivavy. Fihaonana, natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika izy ity.

Firenena 12 no hiady ny ho lohany amin’izany ka anisany ny Barea de Madagascar. Ankoatra an’i Afrika Atsimo mpampiantrano, eo koa i Botsoana, i Lesotho, i Malawi, i Mozambika, i Namibia, i Soazilandy, i Zambia, ary i Zimbaboe.

Ankoatra ireo firenena 10 ireo, hisy firenena ivelan’ny «cosafa», hasaina handray anjara, ho fantatra amin’ny fiafaran’ity herinandro ity. Raha tsiahivina, tamin’ny taon-dasa, i Kenya izay firenena any amin’ny tapany antsinanana no nasaina.

Hatao ny alarobia 29 aogositra ho avy izao, ny antsapaka amin’ity “cosafa 2018” ity ka hozaraina ao anaty vondrona telo, ireo ekipa 12 ireo, izany hoe samy hisy ekipa efatra avy ny sokajy tsirairay.

Tafita hiatrika ny manasa-dalana ireo ekipa voalohany isam-bondrona, aorian’ny fifanintsanana, miampy ny ekipa iray tsara toerana indrindra.

Tsy maintsy hiady mafy ny Barea de Madagascar, amin’ity. Raha tsiahivina mantsy, laharana fahefatra tao amin’ny sokajy “A” no nisy ny Malagasy, nandritra ny fifaninanana, natao tany Zimbaboe, tamin’ny taon-dasa. Resy intelo nisesy, nanoloana an’i Zimbaboe, tamin’ny isa 4 no ho 0, avy eo mbola niondrika tamin’ny isa 6 no ho 3 tamin’i Mali ary nomontsanin’i Zambia, tamin’ny isa mavesatra 7 no ho 1.

Raha tsiahivina, ny ekipan’i Afrika Atsimo no nandrombaka ny amboara, tamin’ny andiany farany, rehefa nanilika an’i Zimbaboe, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny famaranana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.