Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FMI-Madagasikara: niaraha-nijery ny vita avy amin’ny Fec

FMI-Madagasikara: niaraha-nijery ny vita avy amin’ny Fec

Omaly, noraisin’ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, Andriambololona Vonintsalama, ny solontena vaovao ny FMI eto  amintsika, i Marc Gérard. Niarahan’ny roa tonta nijery ny dingana vita amin’ny fandaharanasa eto Madagasikara ao anatin’ny Fec*, nolanin’ny filankevi-pitantanan’ny FMI namoahany vola 44, 25 tapitrisa dolara.

Efa 10 taona izao ny nanombohan’i Marc Gérard ny asany ao amin’ny FMI, tany Côte d’Ivoire, avy eo tany Georgie, firenena roa samy nahazo tohana avy amin’ny FMI mitovy amin’i Madagasikara. Talohan’izao nanendrena azy ho aty Madagasikara izao, niasa tany Eoropa izy nanadihady ny toekaren’ireo firenena tatsinanana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.