Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fialan-tsasatra ao Toamasina: manamafy ny fisafoana ny polisy

Fialan-tsasatra ao Toamasina: manamafy ny fisafoana ny polisy

Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy toy ny fanendahana sy ny sinto-mahery mahazo vahana amin’ireo mpiala sasatra izay efa manomboka tonga maro ao Toamasina amin’izao fotoana izao, manamafy ny fomba fanaovana fisafoana andro aman’alina ny vondron’ny kaomisera efatra izay tarihin’ny kaomisera, Razafindahy Manitra Fleurys. Nahitam-bokany izany satria jiolahy miisa 10, indray tratra teo am-panendahana teo amoron-dranomasina, ny faran’ny herinandro teo raha tao Ambolomadinika kosa no voasambotra i Romeo 19 taona, jiolahy efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela noho ny fanendahana vazaha avy namonjy trano fandihizana tao Ankirihiry Toamasina. Teny amin’ny lalam-baovao Tanambao fahadimy kosa no voasambotra ry Soloniaina 23 taona, Sely 18 taona ary Bosco 19 taona. Raha ny salan-taonan’ireto jiolahy ireto dia midika fa tovolahy vao erotrerony daholo ireto manao asan-jiolahy ao Toamasina ireto. Hentitra ihany koa ny talem-paritra misahana ny filaminana anatiny amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ao Toamasina amin’izao fotoana maha betsaka ny mpiala sasatra izao. Nanamafy hatrany ny vondron’ireo kaomisera efa-dahy ireto fa hanao izay ho afany amin’ny fitandroana ny filaminana mba hahafahan’ny mpiala sasatra mianoka tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lavitra ny tebiteby manoloana ny asan-jiolahy ao Toamasina.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.