Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo Renivohitra: niakatra 73  % ny afaka CEPE

Antananarivo Renivohitra: niakatra 73  % ny afaka CEPE

Nahatratra 73, 61% ny taham-pahafahana CEPE ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny vokatra nivoaka omaly hariva taorian’ny “deliberation” nataon’ny tomponandraikitra. “Nisy fiakarany ny taha raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa, 56, 26%”, hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsapa fa nanao zava-dehibe ny asany ny mpampianatra niandraikitra ny kilasy nanomana fanadinana na nisy aza ny fitakiana samihafa ka nahazoana ny vokatra. Anio vao maraina no hivoaka eny amin’ny foibem-panadinana rehetra eto an-dRenivohitra ny valim-panadinana CEPE, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazana, omaly hariva. Omaly vao niroso tamin’ny fanatanterahana ny « délibération » ny mpampianatra nisahana ny fitsarana ny kopian’ny mpiadina ho an’ny fanadinana CEPE ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Efa tsindrin-daona ihany ny ray aman-dreny maro ka tsy vitsy ireo efa nihaodihaody manodidina ny foibem-panadinana niandry ny vokatra nandritra ny tontolo andro.

Fanadinana nisedra  olana…

Na teo aza ny filazan’ny mpampianatra sasany fa tsy handray anjara amin’ny fampandehanana ny fanadinana, tody hatramin’ny famoahana ny valim-panadinana ihany ny tomponandraikitra. Nisy fahatarana raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa ny famoahana ny valim-panadinana. Nisongadina kosa ny fiakaran’ny taham-pahafahana ho an’ny Cisco efa nahavita ny famoahana ny valim-panadinana ankoatra ireo Cisco saro-dalana sy ahitana asan-dahalo. Nisedra zavatra maro (fitokonan’ny mpampianatra, fiavian’ny rivodoza, fisian’ny aretina pesta…) ny fanabeazana tamin’ity taona ity fa tratra ny tanjona amin’ny fantontosana ny fanadinana amin’ny daty efa voafaritra mialoha.

Vonjy   

Les commentaires sont fermées.