Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anjanahary: nanatitra fanampiana ny traboina ny CUA

Anjanahary: nanatitra fanampiana ny traboina ny CUA

Tonga niombona alahelo sy namangy ary  nitondra ny voatsirambin’ny tanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, ho an’ireo niharam-boina tratran’ny haintrano, ny alatsinainy teo etsy Anjanahary IIS, boriborintany fahadimy.

Nanome vary dimy gony, menaka ary savony ho an’ireo fianakaviana niharam-boina avy amin’ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao ny kaominina. Tonga nitarika ny delegasiona teny an-toerana ny lefitry ny ben’ny Tanàna sy ny delegen’ny boriborintany fahadimy ary ireo mpiara-miasa.

Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra eny an-toerana,  pitik’afo nankany amin’ny moto  no niandohan’ny afo ka niitatra tamin’ny tokantrano hafa. May tsy nisy noraisina tamin’izany  ny trano hazo 10 tafo izay nahitana tokantrano fito ary traboina 20 mahery.

Maty tamin’izany ny telo mianaka. Marihina fa fianakaviana iray daholo ireo tokantrano fito ireo.

Nanomboka tamin’ny 10 ora alina ny alatsinainy teo no nanomboka ny firehetan’ny afo.

Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina raha vao naharay ny antso na nisy aza ny  fahasarotana tamin’ny fidinana teny an-toerana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.