Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anjanahary II S: trano hazo 10 nirehitra, telo mianaka, indray namoy ny ainy

Anjanahary II S: trano hazo 10 nirehitra, telo mianaka, indray namoy ny ainy

Telo mianaka, indray namoy ny ainy vokatry ny haintrano goavana nitranga teny Anjanahary II S – Boriborintany Fahadimy, ny alatsinainy alina lasa teo. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fokontany, pitik’afo nankany amin’ny moto iray nipetraka tao an-trano no nitarika ny firehetana ka niitatra tamin’ny tokantrano iray hafa teo amin’ny manodidina. May kila hotohoton’ny afo tsy nisy noraisina intsony ny trano hazo miisa 10 tafo izay nahitana tokantrano fito. Olona 20 mahery, indray traboina. Namoy ny ainy tao anatin’ity haintrano ity ny telo mianaka. Voalaza fa fianakaviana iray daholo ireto tokantrano miisa fito traboina ireto. Nanomboka tamin’ny 10 ora alina ny afo ary naharitra ora maromaro ny firehetana. Niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ireo olona teo an-tanàna mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina. Isan’ny nampanano sarotra ny mpamonjy voina tamin’ny famonoana ny afo ny fahateren’ny lalana miditra tao amin’ireo trano nirehitra. Tonga nankahery ireo niharam-boina ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.

J.C

Les commentaires sont fermées.