Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranon’ny mpianatra fito: noesorina ny 40% amin’ny tsy mpianatra intsony

Tranon’ny mpianatra fito: noesorina ny 40% amin’ny tsy mpianatra intsony

Tao anatin’ny herintaona nanatanterahana ny fanadiovana ny olona monina eny amin’ny trano natokana ho an’ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo, 40% amin’ny tsy mpianatra intsony no noesorina hiala amin’ny trano. Mbola mitohy ny fanadiovana satria tsy maharaka intsony ny fotodrafitrasa misy amin’ny cité U fito : Vontovorona, Ankatso I-II, Ambohipo, Ambolonkandrina, Ambatomaro ary Ravitoto. 6 000 amin’izao fotoana izao ny isan’ny mpianatra nisoratra anarana manaraka fampianarana eny amin’ny oniversite monina amin’ny Cité U fito nefa 2 000 ny fahazakan’ny trano. Ankoatra ny 6 000, misy olon-kafa manamaro isa ireo tena mpianatra. “Atao miandalana ny fanadiovana ary napetraka ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny fikambanan’ny mpianatra mahalala ny tena mpianatra sy ny mpisandoka”, hoy ny talen’ny CrouA, Andriamihajaniaina Samson Willy teny Ankatso II.

Tsy ny olona ihany fa miitatra amin’ny fanadiovana ny tanàna sy ny trano ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Nidina ifotony mihitsy ny ministra Rasoazananera Marie Monique miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, nijery ny fanadiovana teny an-toerana. Namboarina ny varavaran’ny efitranon’ny mpianatra sy ny toeram-pivoahana teny Ankatso II.

Momba ny fangatahan’ny mpianatra hampidinana ny hofan-trano, ho an’ny trano taloha, 18 000 Ar ny vola alohan’ny mpianatra isan-taona. 50 000 Ar ny hofan’ny trano vaovao izay angatahan’ny mpianatra hampidinina.“ Miandry ny fanapahan-kevitry ny filankevi-pitantanana izany”, hoy ny nambaran’ny talen’ny CrouA, afakomaly teny Ankatso.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.