Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny Alondrano, tarika Gabhy Ratsito: ho tazana eny an-tsehatra ireo andrarezina

Ny Alondrano, tarika Gabhy Ratsito: ho tazana eny an-tsehatra ireo andrarezina

60 taona lasa tany ho any no nisian’ny rindran-kira voalohany teto Iarivo, raha ny voarakitry ny tantara. Hotsiahivina io vanim-potoana io… Fa goavana ihany koa ny hanamarihan’ny Radio Feon’Imerina ny faha-20 taony.

 Hiavaka tanteraka ny seho ! Tao anatin’ny fotoana naharitraritra ihany no tsy nahitana ireto tarika sy mpanakanto ireto teny an-tsehatra. Ankehitriny, masaka ny nahandro. Ny 25 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena, fampisehoana rindran-kira goavana miaraka amin’ny tarika Ny Alondrano, Gabhy Ratsito, Narisoa, Eris François, Moreno, J. Andriamanantena sy Julie, Tovo Andrianandraina, Jean Rossinah, Dinarison Karoka, sns. Tsy tazana loatra teny an-tsehatra izy ireo kanefa manana ny maha izy azy tokoa. Hanafana ny sehatra amin’io fotoana io ihany koa ireo andrarezin’ny hira malagasy toa an’i Abel Ratsimba, i Salomon, ny tarika Lizah Raseta, i Nini sy Gaston Andrianony, ny Gasy Miangola, i Kolibera, ny Angolan’Imerina.

Anisan’ny andrasan’ny mpankafy zavakanto maro eny amin’ny CCEsca Antanimena mandritra ito seho fankalazana ny faha-20 taon’ny Radio Feon’Imerina ito ihany koa i Fidimalala sy ny gitarany. Izy rahateo no mpanakanto zokiny indrindra, raha i Faniry Raelison no zandriny indrindra mandray anjara.

Nomarihin’ny mpikarakara fa tsy hira teatraly akory no ho re eny an-toerana fa tena rindrankira lehibe mihitsy. Samy manana ny manavanana sy mampiavaka azy rahateo ny tarika sy ny mpanakanto tsirairay, na azo lazaina aza fa misy aingam-panahy mety hitovitovizana eo amin’ny famoronana.

ENCADREE

Fantatra fa :

-Fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taon’ny Radio Feon’Imerina 101.6Mhz io rindrankira io.

– Mifanandrify amin’ny nanaovana rindrankira (Gala de chant) voalohany teto Iarivo ny fampisehoana.

– Horaisina rakitsary (saripika hiandraiketan’i Billy Tiana sy  i Toky Nionintsoa (sarimihetsika) ny seho rehetra eny an-tsehatra.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.