
Mitohy ny fidinana ifotony. Anjaran’ny tany Arivonimamo sy Manalalondo indray ny notsidihin’ny mpanorina ny IEM, Rajoelina, omaly. Nisehoana sakantsakana nataon’ny olon’ny HVM anefa izany, toy ny filazana fa tsy manara-dalàna ity kandidà ity. Nirohotra nitsena azy sy namakivaky ny tanàna ihany anefa ny vahoaka marobe ka tsy voasakana intsony izany. Nangetaheta ny hihaona amin’ny filohan’ny Tetemita ny rehetra. Notsiahivin’ny kandidà Rajoelina ny tolona nataon’ny depiote 73 sy ny namoizana ain’olona tamin’izany. Avy any an-toerana rahateo ny iray tamin’ireo lavo.
Ankoatra izany, natsidiky ny kandidà Rajoelina fa ao anatin’ny IEM avokoa ny hetetaheta sy ny famahana ny olan’ny mponina. Anisan’izany ny olan’ny rano fisotro, ny tsy fananana asa, ny tsy fandriampahalemana ary ny fahantrana iainan’ny vahoaka… Nampanantena fampandrosoana ho an’iny faritra iny ny tenany.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.