Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MNP sy Orange Madagascar: miara-miasa mampahafantatra ireo faritra arovana

MNP sy Orange Madagascar: miara-miasa mampahafantatra ireo faritra arovana

Nitombo 5,6 % ny mpitsidika ireo faritra arovana tantanan’ny Madagascar National Parks (MNP) ny taona 2017, raha oharina ny taona 2016. Amin’izao fotoana izao, mitombo hatrany ny mpitsidika any amin’ireo faritra ireo, niteraka fiaraha-miasa eo amin’ny MNP sy ny Orange Madagascar.

Amin’ity taona ity, tsy latsaky ny 190.000 ireo mpitsidika, teratany na vahiny, mijery ny tontolon’ny zavaboahary any amin’ireo faritra arovana tantanan’ny MNP. Sokajina anisan’ny vakoka eto an-tanindrazana mihitsy ireny toerana ireny, koa ilaina ny fampiasana ny serasera avo lenta hisian’ny fampandrosoana maharitra amin’ny asa rehetra izay atao.

Fiaraha-miasa mandritra ny telo taona, samy ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa mitovy. Betsaka ny lafin-javatra jerena amin’izay fiaraha-miasa izay, hanamafisana ny fampahafantarana bebe kokoa ireo faritra arovana ireo ho an’ny eto an-toerana sy ny any ivelany. Izay no mahatonga ny Orange Madagascar manampy ny MNP hampahafantatra ireo faritra tantanany amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy ; ny fanampiana ireo mpizahatany any amin’ny toeram-pivarotana Orange ; fanapariahana sms amin’izay hetsika rehetra atao ho fiarovana ny tontolo iainana.

Manamora ny fidirana amin’ny tambajotra sosialy

Manamora ny fidirana amin’ny tambajotra sosialy ny fiaraha-miasa, miainga avy amin’ny fotodrafitrasa azo antoka misy ireo valan-javaboahary. Hita amin’izany ireo fitaovana maoderina hahazoan’ny mpizahatany manangom-baovao any amin’ny faritra tsidihan’izy ireo, toy ny any Ankarana, Lokobe, tendrembohitr’i Ambre, Andringitra, Isalo, Ranomafana, Ankarafantsika, Andasibe, ary Bemaraha. Eo andalam-panadihadiana ny fametrahana tambajotra any amin’ireo faritra hafa izao ny MNP sy ny Orange Madagascar.

Misy tolotra manokana ho an’ny mpizahatany any amin’ireny toerana ireny, hahafahana miantso sy mandefa sms. Ankoatra ny lafiny varotra, ny Orange Madagascar mandray anjara feno ho an’ny fampandrosoana maharitra, noho izao fiaraha-miasa izao. Voaporofo izany, ohatra, any Ambohitantely, faritra arovana manokana, amin’ireo asa maro, fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanampiana sosialy.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.