Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalana Ambilobe-Vohémar: noraisin’ny Sinoa ny fanatanterahana ny asa

Lalana Ambilobe-Vohémar: noraisin’ny Sinoa ny fanatanterahana ny asa

 « Fanamby lehibe izao ataontsika izao ». Io ny nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina tany Ambilobe, ny 16 aogositra teo, fotoana nanombohana ny asa fanamboaran-dalana RN5 A, Ambilobe-Vohémar, mirefy 150 km. Taona maro no niandrasan’ny mponina any amin’ny faritra Diana sy Sava io lalana io, anisan’ny ratsy, lafo saran-dalana sy mandany fotoana indrindra raha samy lalam-pirenena eto amin’ny Nosy.

Nisaotra manokana ny fitondram-panjakana sinoa ny filoha malagasy, mamatsy vola ity fanamboaran-dalana ity, hanatanteraka ny asa ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation. Io orinasa io ihany koa no miantoka ny fanamboaran-dalana mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Ivato. Nanamarika ny mponina any an-toerana fa tsy vao sambany nisy fampanantenana toy izao momba ity lalana ity, koa enga anie hatao tokoa ary hitohy ny fanamboarana azy, voalaza fa haharitra roa taona, na iza na iza no ho lany hitondra ny tany sy ny fanjakana, aorian’ny fifidianana.

Tsihiavina fa ny fiandohan’ity herinandro ity, mbola ry zareo Sinoa ihany, nanokatra ny asa fanamboaran-dalana any amin’ny kaominina Mahitsy, « Lalan’ny atody », ho fanampiana ireo mpiompy sy ny mponina rehetra.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.