Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Poule des As»: hangotraka ny lalaon’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus

Kitra – «Poule des As»: hangotraka ny lalaon’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus

Hitohy  rahampitso alahady ny “poule des As”, dingana farany hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny baolina kitra. Ekipa efatra no hiady izay ho lohany amin’ity dia ny Elgeco Plus Analamanga, ny Fosa Jr Boeny, ny FC Vakinankaratra ary ny Cnaps Sport Itasy. Hampiantrano, ny ekipan’Analamanga eny amin’ny kianja complexe sportif Vontovorona,  ny Cnaps Sport. Fihaonana tena andrasan’ny rehetra satria hiankinan’ny hoavin’ny ekipa roa tonta. Hiendrika famaranana kely araka izany ity fihaonana ity satria adin’ny klioba samy resy nandritra ny andro faharoa.

Tsy maintsy mitady fandresena eto ny Elgeco Plus izay tsy mbola nitoko mihitsy raha mbola te handrombaka ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hidona amin’ny mpilalaony fahiny eto, i Hery Be, mpanazatra. Hatreto aloha, manantombo eo amin’ny fandresena ny Cnaps Sport, izay tsy mbola resy teo amin’ny kianjany mihitsy. Tsy maintsy hanao izay hahatafavoaka azy koa ny ekipan’Itasy. Tsy mbola manana afa-tsy isa 3 mantsy ry zalahy, amin’ity fifaninanana ity.

Ankoatra izay, handray ny Fosa Jr Boeny, ao amin’ny kianja Vélodrome Antsirabe ny FC Vakinankaratra. Fihaonana, hitalakotrokotroka ihany koa satria efa nahazo fandresena teo amin’ny kianjany ny FCV ary mbola mihevitra ny hanohy izany fahombiazany izany. Ny Fosa Jr indray izay mitarika vonjimaika ankehitriny, manana isa 6 taorian’ny lalao roa efa vitany. Mbola mikasa ny haka isa 3 indray haha tsara toerana azy ireo, ary hanamafy ny maha lohany azy ireo.

Hiankinan-javatra betsaka, araka izany, ity andro fahatelo ity ary mety ho efa ahitana taratra izay handrombaka ity anaram-boninahitra ity.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.