Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hihalina  indray ny fahantrana: mbola  ho kandidà indray Rajaonarimampianina

Hihalina  indray ny fahantrana: mbola  ho kandidà indray Rajaonarimampianina

Hiampy sy hiha lalina  indray ny fahantrana.  Nanambara ny maha kandidà azy amin’ny fifidianana  filoham-pirenena ny filoha Rajaonarimampianina, omaly.

Efa tafapetraka, omaly teny amin’ny HCC amin’ny alalan’ny mpanolotsainy, i Rachid ny filatsahan-kofidiny. Kandidà faha-14 izany ny filoha amperinasa Rajaonarimampianina.  “Teto amin’ity toerana  ity, volana aogositra  efa-taona lasa tahaka izao ny nanombohako  ny tantara ary hotohizana manomboka eto izany”, hoy izy tetsy Antaninarenina.  Notanisain’ireo olona  akaiky azy mialoha izany ny asa  nataony. Notsiahivin-dRajaonarimampianina  tamin’izany fa  namantana firenena voasazy sy  nahantra ary fandiranovana ny tenany, efa-taona lasa izay. “Tsy natao nahakivy izany fa vao mainka nampihetsika ny  hambom-poko ary hitondrako ny  heriko rehetra hampandrosoana ny firenena’, hoy ihany izy. Nambarany fa henony ny antso sy ny  fampirisihana azy ho kandidà hanohy ny asa efa natomboka. Anisan’ny resy lahatra sy mbola hanara-dia an-dRajaonarimampianina,  nanindrahindra azy ny minisitra  teo aloha, i Onitiana Realy. Nitanisa ny andinin-tsoratra Masina sy ireo nambara fa zava-bitan’izao fitondrana   izao.

Fahantrana lalina iainan’ny vahoaka…

Hadinon’ny kandidà Rajaonarimampianina sy ireo nandokandoka azy  fa tsy mbola niaina  fahantrana lalina  tahaka  izao ny firenena. Tafakatra  4 000  Ar ny sandan’ny vola euro. Nitotongana andro aman’alina ny volantsika. Nanjakan’ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana ny ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe,  nandritra ny efa-taona. Mbola  voaporofo izany amin’ireo fakana an-keriny ataon’ny  jiolahy sy ny dahalo. Ny fiakaran’ny vidim-piainana miaraka amin’ny sondro-bidin’ny solika sy ny  herinaratra. Ny olana miverimberina eny anivon’ny oniversite sy ny tontolon’ny fanabeazana ka nampisavorovoro ny  fanadinana CEPE, farany teo.

Kobaka am-bava sy fampanantenana poakaty

Ireo raharaha samihafa toy ny kolikoly avo lenta sy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana.  Naha voasaringotra  ny olona akaiky ny kandidà  Rajaonarimampianina  izany. Ohatra, Razaimamonjy Claudine. Eo koa ny “Raharaha Antsakabary”,  ny baomba nipoaka ny 25 janoary 2014,  nanaovany fianianana ka nahafaty olona  tetsy Anosy. Ny “26 jona  2016 tetsy  Mahamasina”  nisian’ny ra mandriaka sy faty olona  noho ny baomba ihany… Ny momba ny  “ Villa Elisabeth”, ny  mahavoasaringotra ny  zanany amin’ny “Raharaha Anjorobe” resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ny fitsaram-bahoaka nahazo vahana amin’ny faritra maro… Ampahany  ihany ireo. Mbola azo antenaina hahavita hanarina izany rehetra izany ve ny  HVM  ? Kobaka  am-bava sy fampanantenana poakaty no ho betsaka laroina amin’ny fisandratana 2030…  Inoana  fa tsy mora manadino ny vahoaka malagasy ka hitsara azy amin’ny fifidianana, ny 7 novambra izao.

Randria

Les commentaires sont fermées.