Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faha-50 taon’ny FJKM : hanetriketrika ny fankalazana

Faha-50 taon’ny FJKM : hanetriketrika ny fankalazana

Hotanterahina anio ao amin’ny FJKM Traovato Fitiavana ao Toamasina ny fankalazana manetriketrika ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taon’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny misionera LMS teto Madagasikara.

Hisy ny fitokanana ny tsangambato lehibe natolotry ny foibe FJKM ho tsangambato manamarika ity faha-50 taona ity sy ny sekoly vaovao David Jones eo antokontanin’ny FJKM Anjoma.

Ahitana efitrano dimy ny sekoly ao amin’ny rihana ambany. Misy efitrano lehibe mahazaka olona hatrany amin’ny 300 kosa ny rihana ambony.

Efa nanomboka ny alahady teo ary hitohy hatramin’ny alahady 19 aogositra izao ny fankalazana ny faha-50 taon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izay tanterahina any Toamasina.

Lohahevitra novoizina ary manakoako any Toamasina ny voarakitra ao amin’ny (2Tim 1: 8a): “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ».

Efa tomefy mpino kristianina FJKM any Toamasina. Samy nandamina ny fandaharam-potoany ny isam-piangonana andehanana hanatrika izany ivon’ny fankalazana izany. Efa mipetraka ny toromarika amin’ny tokony hitondran’ny mpizaika rehetra ny “badge” mandritra ny fivezivezena rehetra any an-toerana mba hifankafantarana.

Mifamatotra amin’ny fanamarihana ny faha-200 taona nidiran’ny misionera LMS teto amintsika ihany koa io fankalazana miezinezina io.

Tsiahivina fa efa nisy ny hetsika fankalazana nataon’ny synodam-paritany 38 manerana ny Nosy sy any an-dafy.

Hotanterahina eto Antananarivo ny 14 ka hatramin’ny 21 oktobra izao kosa ny famaranana ity fankalazana ny faha-50 taonan’ny  FJKM ity.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.