Tonga ny fotoana. Hamarana ny faha-15 taona nijoroany any Toamasina, anio ny antoko Tiako i madagasikara (Tim). Ho ambohi-pihaonan’ny mpikambana sy ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Ravalomanana ary ny vahoaka ny eo amin’ny morontsiraky ny renivohitry ny faritra Atsinanana, tsy lavitra ny Auximad. Tombanana fa fotoana io hanambaran’ny mpanorina ny Tim, ny amin’ny firotsahany hofidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny 7 novambra izao. Efa nialohavan’ny fanambarana nataon’ny birao politika, ny depiote Razafimanantsoa Hanitra izany, ny herinandro teo ka nilazany fa vonona amin’ny lafiny rehetra hiatrehana ny fifidianana ny antoko ary ho kandidà ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc.
Andrasana anio izany ny fanambarana hataon’ny filoha teo aloha, amin’ny maha kandidà azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.