Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Distrikan’Antsimondrano: hifaninana amin’ny taranja efatra ireo tanora

Distrikan’Antsimondrano: hifaninana amin’ny taranja efatra ireo tanora

Hofohazina sy omena sehatra mba ho afaka handray andraikitra, ny tanora eny amin’ny distrikan’Antsimondrano. Amin’ny alalan’ny fifaninanana ara-mpanatanjahantena, karakarain’ny Groupe de Leader Visionnaire d’Atsimondrano (GLVA) no hanentanana azy ireo, izay nomena ny lohahevitra hoe : «Isika rehetra miaraka amin’ny fanatanjahantena».

Hanomboka, ny alahady 2 septambra ho avy izao, eo amin’ny kianja Bevalala, izany. Nambaran’ireo mpikarakara fa handray anjara sy hifaninanana amin’izany ireo kaominina miisa 26 ao anatin’ny distrikan’Antsimondrano. Taranja efatra aloha, ny hisantarana izany dia ny baolina kitra lalaovina olona 11 sy ny basikety, izay natao ho an’ny ekipa voafantina isaky ny kaominina. Nozaraina ho sokajy roa izany dia ny «sénior» sy ny “vetéran”.  Ny rugby à XV, misy sokajy telo ary ny tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka lehilahy.

Ankoatra izay, hisy ny fampirantiana fiara 4X4 Off road sy ny mpanao rallye. Anton’izany, mba ho fampahafantarana fa anisan’ny namoaka tompondaka tamin’ny familiana fiarakodia, Antsimondrano, Andriamihaingo Berthin. Hitohy ny asabotsy 8 septambra ny fifanintsanana ka hiparitaka manerana ireo kianja ao Antsimondrano, izany. Heverina ho vita any amin’ny tapatapaky ny volana oktobra kosa ny famaranana lehibe, amin’ity fihaonana ity.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.