Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa momba ny zavakanto: manomana « salon » ho an’ny tanora ny Craam

Asa momba ny zavakanto: manomana « salon » ho an’ny tanora ny Craam

Tanjon’ny ADMC-Craam*, ao anatin’ny tetikasany M’Kolosaina 2.0, ny haha matihanina kokoa ireo asa rehetra mahakasika ny zavakanto sy ny kolontsaina. Tafiditra ao anatin’ireo hetsika entiny manatratra izany indrindra ny « salon » na fampirantiana arahina fampahafantarana samihafa, mahakasika ireo karazana asa mikirakira ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery.

Hotontosaina ny 22 hatramin’ny 24 aogositra izao, eny amin’ny oniversite Ankatso, ity « salon » ity. Tanjona amin’izany ny hanoro lalana ny tanora, liana amin’ireo karazana sehatr’asa ireo. Matevina ny fandaharam-potoana, mandritra io hateloana io. Hisy ny fampihaonana ny tanora amin’ireo mpisehatra matihanina eo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery.

Ankoatra ny fampirantiana, maromaro ny atrikasa efa nomanina, heverina fa hahaliana ny tanora, satria ilainy amin’ny fiatrehany ny tontolon’ny asa, ao aoriana kely. Anisan’izany, ohatra, ny mahakasika ny « fifandraisana amin’ny alalan’ny kolontsaina ». Hisy koa ny fiofanana momba ny fiatrehana vahoaka.

Hanome aina ireo fandaharam-potoana samihafa sy maimaimpoana ireo ny seho sy fanentanana maro, toy ny « shooting ».

Landy R.

Les commentaires sont fermées.