Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley Analamanga: tafita ny ekipan’ny Bi’As

Volley Analamanga: tafita ny ekipan’ny Bi’As

 

Notontosaina ny asabotsy sy omaly alahady tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ireo lalao manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Tafita hiatrika ny famaranana, eo amin’ny sokajy «sénior» vehivavy, ny Bi’As. Resiny tamin’ny seta mazava, 3 no ho 0 (25/14 ; 25/16 ; 25/16) ny AMVB (B). Mbola noporofoin’ny Bi’As indray izany teto ny maha laharana voalohany azy ireo. Tsy niady ny fihaonana satria nanana ny fahaiza-manao na ara-teknika na teo amin’ny taktika ny mpilalaon’ny Bi’As. Ankoatra izay, nanao pao-droa ny ekipan’ny VBCD, teo amin’ny sokajy «junior». Niondrika teo anatrehany, tamin’ny seta 3 no ho 1 ny Akany Sambatra Itaosy, teo amin’ny lehilahy. (26/24 ; 32/34 ; 25/20 ; 27/25), ny nisarahan’ny roa tonta.

Ho an’ny vehivavy, resiny tamin’ny seta 3 no ho 0 ny Squad. (25/5 ; 25/17 ; 25/10). Toy ny nanao fanazarantena fotsiny ny tovovavin’ny VBCD, tamin’ity fihaonana ity. Tsy nahatohitra mihitsy mantsy ny Squad, izay hita mbola zazavao ihany eo amin’ny lalao manan-danja toa izao.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.