Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vangaindrano-Farafangana: CSB II telo nahazo « kintana telo »

Vangaindrano-Farafangana: CSB II telo nahazo « kintana telo »

 

 Voasokajy ho CSB manana kintana telo ny CSB II Tsianofana ao Vangaindrano sy ny CSB II Mahabo-Mananivo sy Amporoforo ao Farafangana, samy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Misy ny fepetra napetraka hisokajiana ny CSB amin’ny tetikasa Fahasalamana sy ny tontolo manodidina azy iarahan’ny minisiteran’ny Rano sy ny minisiteran’ny Fahasalamana ary ny Unicef. Tafiditra amin’ny fepetra ny fahafahan’ny rehetra (mpiasa sy ny marary) manasa tanana amin’ny savony, ny fampiasana fotodrafitrasam-pahasalamana manaja ny tontolo iainana, ny fitantanana ny fako ao anatin’ny CSB ary ny tsy fanaovana ankalamanjana maloto. Voahajan’ny mpiandraikitra sy ny mpampiasa ny CSB ny fepetra miaraka amin’ny taratasy fanamarinana fa naman’ny Wash ihany koa izy ireo noho ny fahazoana rano madio sy ny fampiasana ny fotodrafitrasam-pidiovana samihafa, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa, ny dokotera Venance Tata.

Nanamafy ny minisitry ny Fahasalamana, Rantomalala Harinirina Yoel, fa tokony hotandrovina hatrany ny sokajy kintana telo efa azo ho tombontsoan’ny marary sy ny mpiasa rehetra ao. Amin’izao fotoana izao, CSB II 300 amin’ny faritra sivy efa naman’ny Wash no hahazo tsy ho ela ny sokajy kintana telo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.