Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sivy andro sisa ho an’ireo kandidà: hanao  ranolava ny fanaterana dosie eny amin’ny HCC

Sivy andro sisa ho an’ireo kandidà: hanao  ranolava ny fanaterana dosie eny amin’ny HCC

 

Hifarana ny  21 aogositra izao ny fe-potoana farany ahafahan’ireo kandidà mametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina.  Hanao tohivakana izany , manomboka amin’ity herinandro ity. Fito ireo efa nahavita izany, hatreto.

Nanome toromarika.  « Tsy tokony hiandry fotoana  farany ireo kandidà vao hanatitra izany  satria tsy misy azo atao intsony  raha  misy tsy mety ny antontan-taratasy momba azy ireo », hoy ny lehiben’ny mpirakidrahara eo a nivon’ny HCC,  Ambohidahy, ny  faran’ny herinandro  teo. Efa fomba mahazatra fanao eto amintsika rahateo ny miandry fotoana farany. Na  izany aza,  tombanana fa mety hanao ranolava amin’izao herinandro izao ireo hanatitra ny antontan-taratasy filatsahany. Efa nanambara  ny hanao  izany ny eo anivon’ny PLD, amin’ny alalan’ny kandidàny, Rabeharisoa Saraha. Tahaka izany koa ny kandidà Ravalomanana  Marc. Anisan’ny efa nanambarana ny maha kandidà  azy  ary efa hanatitra ny azy ny Praiminisitra teo aloha, Beriziky. Raharimanana Patrick avy amin’ny  Vitantsika,  ny MTS Ratsiraka Roland.  Tahaka  izany koa, i Jose Vianey sy ny kandidà Raharimanana Mamy avy amin’ny Maeva. Anisan’ny andrasana koa  ny an’ny filoha amperinasa, Rajaonarimampianina Hery.

Fito ireo efa nanatitra  ny antontan-taratasy filatsahany

Tsiahivina fa fito ireo efa nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny, hatramin’ny zoma teo. Anisan’izany, Rajoelina Andry atolotry ny TGV. Ny Praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo Jean, natolotry ny Aba.  Ny pasitera Mailhol avy amin’ny GFFM, ny filohan’ny SMM  teo aloha,i Ernaivo Fanirisoa avy amin’ny  Zama. Ny kandidà  Jules Etienne Roland natolotry ny  Mafi. Rasolofondraosolo  Zafimahaleo (Dama) Mahaleo kandidàn’ny Manajary  Vahoaka  ary Rabary Andrianiaina Paul, natolotry ny Miasa.

Araka izany, tombanana fa tsy hihoatra ny 20 ireo kandidà hofidina filoham-pirenena amin’ity indray mandeha ity, raha 33 izany tamin’ny taona 2013.

Synèse R.    

 

Les commentaires sont fermées.