Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby: tsy afa-bela tamin’ny FTM ny Cosfa

Rugby: tsy afa-bela tamin’ny FTM ny Cosfa

 

Tontosa omaly alahady, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny “Amboaran’ny filoha”, taranja rugby. Hiatrika ny famaranana, ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny STM (Savony). Raha ny vokatra, lavon’ny FTM, tamin’ny isa 33 no ho 31 ny Cosfa. Niady ny fihaonana, ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany ny lalao. Samy nahatonga baolina nentin-tanana, ny andaniny sy ny ankilany. Efa tany amin’ny minitra farany vao tafavoaka ny Dakar, notarihin-dry Mika sy ry Gervais ary ry Koroka.

Tsy mbola afa-bela tamin’ny FTM Manjakaray, indray izany ny Bebaoty, tamin’ity, izay efa niondrika teo anatrehan-dry zalahy, nandritra ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Nivoaka sempotra koa ny Savony, vao nahazo ny fandresena, nanoloana ny FTFA Andohatapenaka. Nisaraka tamin’ny isa 26 no ho 22 mantsy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Nanohitra hatramin’ny farany ny FTBA, saingy tombony ho an’ny Savony, ny traikefa.

Hotanterahina ny alahady 19 aogositra, ho avy izao ny famaranana.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.