Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandiso ireo tsaho ny Tim: “Ho kandidà Ravalomanana…”

Nandiso ireo tsaho ny Tim: “Ho kandidà Ravalomanana…”

 

 Marobe ny resaka mandeha amin’izao fotoana  izao. Mazava ny tianay ampitaina fa ho kandidà amin’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana. Vonona  amin’ny lafiny  rehetra izy ary ho mpandresy isika, koa tokony ho vonona  amin’izany”, hoy  ny depiote Razafimanantsoa Hanitra teny Avaradrano, ny asabotsy teo. Nanteriny fa miandry ny fotoana ametrahany dosie fotsiny sisa ny mpanorina ny  Tim, ary tsy ho ela  intsony izany. Nitondrany fanazavana koa ny momba ny Komity mpanohana an’i Marc Ravalomanana  (KMMR) sy ny Tim. “Mpikambana avy hatrany ao anatin’io komity io ny Tim. Tsy misy fifandirana eo amin’ny roa tonta. Natao ho an’ny olona rehetra ny KMMR,  indrindra ireo tsy te  hiditra anaty antoko  politika.  Ahitana sokajin’olona samihafa  te -hanohana ny filoha Ravalomanana  ny KMMR. Misy ireo miseho masoandro mandeha kianja fa eo koa  ireo any anaty ny sehatrasa misy azy avy…”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny,  efa mivonona amin’ny fampandaniana ny mpanorina ny Tim  amin’ny fifidianana ireo mpanohana azy nifamotoana tetsy amin’ny Magro Behoririka, ny asabotsy teo. “Tsy matahotra fifidianana isika. Tsy tolona intsony no ataontsika eto fa ny fanomanana amin’ny fifidianana”, hoy ny mpitarika, Rakotomandimby Zafilahy Stanislas.

Ankoatra izany, tafatsangana koa ny mpanohana ny filoha teo aloha, Ravalomanana any Frantsa. Nifamory nijery ny tokony hanohanana ny mpanorina ny Tim sy hampandaniana azy izy ireo, ny faran’ny herinandro  teo.  Mandritra izany, nihazo ny tany Maroantsetra Ravalomanana ary nitafa mivantana  amin’ny  vahoaka.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.