Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Namotsotra dahalo: nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ilay zandary

Namotsotra dahalo: nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ilay zandary

 

Mihazakazaka ny toe-draharaha, natolotra ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha, ny marainan’ny sabotsy teo, ilay zandary “Hors classe” voatondro ho namotsotra dahalo raindahiny antsoina hoe Jacquinot, tany Sambava. Nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika izy, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha tsiahivina, ny sabotsy 4 aogositra ilay dahalo no voasambotry ny fokonolona tany Soavinandriana Sambava, ary natolotra ny zandary. Ny ampitson’io anefa, votsotra ary niteraka savorovoro tany Sambava izany. Tezitra ny fokonolona, ary nilaza ny lehiben’ny zandary tany an-toerana fa tsy maintsy voasazy izay namotsotra izay.

Ilay zandary natolotra ny fitsarana, ilay dahalo hita faty tany anaty kirihitra, tany Sambava ihany, ny alakamisy 9 aogositra teo. Ankizy sendra nandeha nihaza voronkely no taitra raha nahita faty tao anaty lobolobo.  Nampandre ny ray aman-dreniny ary ireto farany ireto, niantso mpitandro filaminana. Fantatra fa tena ilay dahalo votsotra tokoa io. Nihohoka no nahitana ny razana ary tsy nahitana “menottes” ny tanany. Mandeha indray ny famotorana momba ity raharaha ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.