Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miandrivazo: taksiborosy nivadika nandratra olona valo

Miandrivazo: taksiborosy nivadika nandratra olona valo

 

Fiara taksiborosy Sprinter avy any Antananarivo handeha any Morondava no tra-doza tany Betalatala, tokony ho 8 km miala an’i Miandrivazo, ny asabotsy maraina, tokony ho tamin’ny 4 h50 mn. Fantatra fa olona valo naratra mafy vokatr’izany, voatery naiditra hopitaly mihitsy. Tsy nisy kosa anefa ny olona namoy ny ainy. Niala lalana mihitsy ilay fiara io, ary nivadika. Fantatra fa mety tafa-tory ny mpamily, kanefa ny fiara nandeha mafy. Nosokirina mihitsy ny mpandeha sasany namoahana azy, tery tao anaty fiara. Ny fiara hafa nandalo no namonjy ireo naratra rehetra.

Matetika miseho ny loza amin’ny lalam-pirenena noho ny torimaso tsy ampy ho an’ny mpamily, na koa vokatry ny olana mekanika. Voalaza ihany koa fa amin’izao fialantsasatra izao, manao ny atao hoe “’dona miverina” ny mpamily ka reraka. Tokony hanana mpamily roa ny taksiborosy iray, kanefa maro ny tsy manaraka izay fepetra izay. Anisan’ny tokony hosavain’ny zandary ny momba io mpamily faharoa io.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.