Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can 2019»: narian’i Nicolas Dupuis, i Rinjala sy i Mamy Gervais

Kitra – «Can 2019»: narian’i Nicolas Dupuis, i Rinjala sy i Mamy Gervais

 

 Namoaka ny anaran’ireo mpilalao hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019), i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. 23 mirahalahy no nantsoiny tamin’ity. Tsy anisan’ireo, i Rinjala sy i Mamy Gervais. Voalaza fa nisy fihenana ny tanjaka sy ny fahaizan’izy mirahalahy ireo, ka voatery najanona. Tsy ao anaty lisitra koa i Abel Anicet, noho ny ratra nahazo azy.

Ankoatra izay, misy mpilalao vaovao roa lahy hanatevina ny Barea de Madagascar dia i William Gros, lohalaharana sy i Romain Metanire vodilaharana. Mbola anisan’ireo nahazo fiantsoana ihany koa i Dax, saingy tsy azo antoka ny fiaviany noho ny olana eo amin’ny taratasy fifindran-toerany. Mahatratra 7 kosa ireo mpilalao avy eto an-toerana. Miteraka resa-be kosa ny amin’i Carolus, izay tsy manana klioba hilalaovana nefa ao anatin’ny lisitra.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.