Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry: ny voalohan’ny adidy tsy efa, fipendipendenana no maro

Miray hina amin’ny fahorin’ny havany no miondrika eo anoloanan’ilay mpitandro filaminana namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny iraka napetraka taminy. Teny Ankadindramamy tamin’ny fanafihana tsy misy fiantrana nataona adiana jiolahy nirongo fitaovam-piadina mahery vaika no nisehon’ny loza. Fiantohana ny fiarovana manokana mpandraharaha tsy miankina no irak’ilay mpiasa-panjakana. Arak’izany dia afaka ho lazaina fa maty eo am-panatanterahana ny asan’ilay mpitando filaminana, noho izany koa anefa dia tohy vakana ny fisehon’ny fanontaniana. Raha mbola tsy mandry toy ny ankehitriny ny fahalemana ka samy mahatsapa ny rehetra eto amin’ny fiarahamonina fa tsy efa lafatra ny fiarovana ny vahoaka moa ve rariny raha anifisana indray ny hery fitandrona ny filaminana amin’ny fanirahana ny sasantsasan’ny hery anao fiambenana manokana ho an’

olom-bitsy ? Vitsy arakin’ny inona moa ? Tsy fantatra ny

isan’ireny olona misitraka an’izany tombotsoa samy irery ireny, ary tsy mazava ny fetra sy fepetra mifehy ny fahazona mpiasa-panjakana iantoka fiarovana ny tena manokana. Nohon’ny tsy fahampin’ny mangarahara mikasika an’izany dia mahazo bahana izao karazana tsaho sy honohono rehetra izao. Mandeha moa ny feo fa resa-bola no mibaiko an’io fanomezana tombotsoa manokana io. Marina aloha fa na eo aza ny tsy fisin’ny fandriampahalemana izay zakain’ny rehetra ka tsy misy afa-bela amin’ny fitataon’ny loza mety hitranga, mbola ny mpanana no lasibatra voalohany. Ampy ho antony fanomezana ho an’ny tsirairay amin’izy ireny fiarovana manokana avy amin’ny fitondrana ? Na mahantra aza ny ankabeazan’ny mponina, tsy dia vitsy koa ireo mpanefoefo, iza amin’izy ireto no havahana eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny fisitrahana fepetra tsy mitovy amin’ny rehetra ? Vola-panjakana anie no anakaramana an’ireny miaramila na zandary na pôlisy manefa iraka any amina olon-tsotra toy ireny, sao dia misy fiangarana amin’ny fanaovana tsy rariny ? Araky ny siosio-dresaka manefa sandany avoavo ihany takalon’ny fisina mpiasa-panjakana manodidina azy antoky ny fiarovana ny tenany ireny mpanan-karena ireny. Ny filazana hoe antoka moa tsy tena marina loatra, tamin’ireny olona nalaina an-keriny ireny nisy nanana mpiambina manokana izay mpitandro filaminana nefa tsy nahasakana ny fanaovan’ ny jiolahy ny asa ratsy nokasainy, tamin’ity loza teny Ankadindramamy ity maty ilay pôlisy maty ny zanak’ilay mpandraharaha lasa ny vola. Tsy ny tsy fahombiazana moa no atao resaka fa ny rafitra eo amin’ny fitantanana raharaha-panjakana izay manome vahana an’ireo mpitarika ambony amin’ny fanirahana mpiasa-panjakana anefa asa ho an’olona tsotra. Ny mpiasa-panjakana moa araky ny fitsipika mifehy aza dia tsy afaka mikarama ivelan’ny asany. Noho izany mitovy amin’ny fanodikodinana vola na fitaovam-panjakana ny fanirahana mpiasa-panjakana anefa asa manokana toy izao. Asa maizina ary mety misy vola maizina tsy misy soratra. Tsy taitra ny tompon’andraikitra amin’ny ady atao

amin’ny kolikoly sy amin’ny vola maizina.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.