Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fifidianana: nentin’ny GFFM am-bavaka ny firenena

Fiatrehana ny fifidianana: nentin’ny GFFM am-bavaka ny firenena

 

 Vory lanona tetsy Antsonjombe  ny fianakaviamben’ny Apokalipsy (Fam) sy ny avy amin’ny antoko  GFFM, ny asabotsy teo. “Nentina am-bavaka ny firenena  sy ny firotsahan-kofidina ary ny fifidianana filoham-pirenena.  Nanasana ny fiangonana hafa sy ny mpanao  politika samihafa izany. Aleo  handeha ny fifidianana ary antenaina ny hizoran’izany ao anaty fitoniana sy filaminana”, hoy ny kandidà  ny pasitera Mailhol. Notsiahiviny fa anisan’ny vinany ny hijerena ny fitrandrahana ny  harena an-kibon’ny  tany sy ny  fiaraha-miasa amin’ny any ivelany. “Tokony samy hahazo tombony, mizara mitovy ny andaniny sy ny ankilany amin’izany. Hifandraisantsika avokoa  ny firenen-drehetra rehefa manaiky ny fepetra hapetraka…”, hoy ihany izy. Momba ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana kosa, nohitsiny fa anisan’ny anton’izany ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena.  Tsy izany ihany anefa ny olana. “Eo koa ny  dahalo ambony latabatra, tsy maintsy hofongorina… Tsy hanondrana omby any ivelany intsony koa isika ato anatin’ny 30 taona… “, hoy ny kandidàn’ny GFFM.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.