Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BOA Madagascar – Fidiran’ny mpianatra: misokatra amin’ny masoivoho rehetra ny fisarihana

BOA Madagascar – Fidiran’ny mpianatra: misokatra amin’ny masoivoho rehetra ny fisarihana

 

Ny faran’ny herinandro teo, nizara loka ho an’ireo nahazo tamin’ny fisarihana tamin’ny findramam-bola ho an’ny fidiran’ny mpianatra ny BOA Madagascar. Tsiahivina fa 10 taona izao ny BOA, nampanao io findramam-bola io ho an’ny mpanjifa ao aminy ho fitsinjovana ny ray aman-dreny amin’ny fikarakarana ny fidiran’ny mpianatra.

Koa amin’izao fankalazana ny faha 10 taona izao, misy isam-bolana ny fisarihana hatramin’ny volana novambra 2018. Fito hatrany ny hahazo loka ka ny voalohany, vola iray tapitrisa ariary ;  faharoa, telo samy mahazo fito hetsy ariary ; fahatelo, olona telo ihany koa, samy mahazo efatra hetsy ariary. Misokatra ho an’izay nindrana amin’ny masoivohon’ny BOA manerana ny Nosy ny fisarihana. Koa tamin’izao fisarihana voalohany izao, ny any Mandritsara ny nahazo ny voalohany ; ny telo faharoa, avy amin’ny masoivohon’i Moramanga, Mahazoarivo, Alarobia ; ireo nahazo loka fahatelo, avy amin’ny masoivohon’i Talamaty, Ampandrana, Imerintsiatosika.

Mitombo isan-taona ireo mindram-bola ho an’ny fidiran’ny mpianatra ao amin’ny BOA, manodidina ny 10.000 tamin’ity taona ity, ahitana sokajin’olona rehetra, toy ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina. « Fantatra fa vesatra ho an’ny ray aman-dreny ny fidiran’ny mpianatra isan-taona, indrindra raha maromaro ny ankizy, koa izany ny antony nanokafana izao tolotra izao », hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny BOA.

Eo amin’ny lafiny toekarena ankapobeny, manampy ny sehatra hafa, toy ny varotra ny fisian’ny vola mihodina ho amin’izany fidiran’ny mpianatra izany ; endrika iray fanohanana ny sekoly koa, ary indrindra tsy mahatapaka ny fanohizan’ny ankizy ny fianarany.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.