Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tale jeneralin’ny polisim-pirenena: tsy maintsy karohina ireo jiolahy namono nahafaty polisy

Tale jeneralin’ny polisim-pirenena: tsy maintsy karohina ireo jiolahy namono nahafaty polisy

 

 Manoloana ireny zava-nitranga teny Ankadindramamy niafara tamin’ny famoizana aina polisy ireny, mankahery hatrany ny fianakavian’ilay polisy namoy ny ainy ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena. Tsy maintsy karohina ary hitady ireo jiolahy nanao iny zava-dratsy iny ny polisim-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police, Rafanomezantsoa Roger, omaly teny amin’ny sekoly ambony ny polisim-pirenena (ENSP) Ivato, nandritra ny famindram-pahefana teo amin’ireo lehibe isan-tsokajiny eo anivon’ny polisim-pirenena. Fifamindram-pahefana telo sosona no natao teny amin’ny ENSP Ivato ka nanomboka izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, i Eric Michel Idrissa, izay tale jeneraly teo aloha ny polisy, nanome ny fibaikoana ho an’ny tale jeneraly vaovao ny polisy, ny contrôleur général de police, Rafanomezantsoa Roger. Ny faharoa kosa, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sekoly ambony ny polisim-pirenena izay nanendrena ny commissaire divisionnaire de police, Randriambelo Ny Aina. Namarana izany ny famindram-pahefana ny talem-paritany teo aloha ny filaminam-bahoaka ho an’ny faritanin’Antananarivo sy ny tale vaovao, ny commissaire divisionnaire de police, Rakotozanany Danny Marius. Mitohy hatrany, araka izany, ny asa eo anivon’ny polisim-pirenena.

J.C

Les commentaires sont fermées.