Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sambava: hita faty ilay dahalo nangalatra volam-piangonana

Sambava: hita faty ilay dahalo nangalatra volam-piangonana

 

Hita faty, omaly, ilay dahalo raindahiny votsotra teo am-pelatanan’ny zandary tao Sambava, ny alahady maraina lasa teo…

Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, ankizikely roa lahy nandeha nihaza vorona no nahita ny fatin’ilay dahalo tao anaty lobolobo somary honahona. Lasa nody haingana nampandre ny ray aman-dreniny ireto ankizikely ireto. Nampandre ny zandary kosa ny ray aman-drenin’ireo ankizikely. Tonga haingana teny amin’ny toerana nahitana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera nanao fitsirihana ny razana. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny zandary sy ny dokotera, fantatra fa ilay dahalo nanafika tao amin’ny fokontany Soavinandriana Sambava tokoa ity hita faty ity, saingy tsy fantatra mazava aloha, hatreto, ny antony nahafaty azy fa azo antoka aloha kosa, namoy ny ainy ilay dahalo. Tratra nangalatra lavanila milanja 25 kg, volam-piangonana mitentina 2 tapitrisa Ar ary akoho amam-borona, ny zoma 3 aogositra 2018, ity dahalo ity. Nosamborin’ny zandary izy tamin’io fotoana io, saingy votsotra teo am-pelatanan’ny zandary ny alahady lasa teo. Niteraka hatezerana teo amin’ny mponina ao Sambava izany ka nahatonga ireo andian’olona marobe nilanja sorabaventy manoloana ny biraon’ny zandary any an-toerana. Niezaka nandamina ireto andian’olona nentin-katezerana ireto ny zandary tamin’io fotoana io ka nilamina ihany ity raharaha ity. Hita faty nihohoka tao anaty rano ity dahalo ity. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava izay antony nahafaty azy. Mitohy ny fanadihadiana momba ity fahafatesana dahalo ity.

Randria

Les commentaires sont fermées.