Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Varika: maty novonoina ilay vehivavy nalaina an-keriny

 

 Nahitana ny fatim-behivavy iray, 25 taona, efa tsy hita iray volana, tany anaty kirihitra tsy lavitra ny lalana mihazo ny tanànan’Ambodiroanga, kaominina ambanivohitra Ambodiriana Sahafary, distrika Nosy Varika. Omaly no hita ilay razana. Nametraka fitarainana any amin’ny zandary ny rain’io vehivavy io, ny 7 aogositra teo, ary nitory lehilahy antsoina hoe Lepaoly. Ity farany izay nividy omby tamin’ilay rangahy ka ilay zanany vavy no nirahiny handraikitra ny varotra ny 15 jolay lasa teo. 1 400 000 Ar ny vidin’omby roa ka izay no saika alain’ilay tovovavy tany amin’i Lepaoly. Tsy hita nanomboka teo ilay vehivavy ka nahatonga ny fianakaviany nitory izany.

Ny fokonolona koa, andanin’izany, efa nikaroka ilay tovovavy sy Lepaoly. Tratran’ny fokonolona ity farany kanefa tafaporitsaka. Nisy ny fampilazana ny zandary. Tratran’ny fokonolona fanindroany izy io, ary saika niharan’ny fitsaram-bahaoka, saingy tonga ara-potoana ny zandary ary nentina tany Mananjary avy hatrany. Taorian’izay no nanaovan’ny zandary ny fanadihadiana ka nahitana ny razana tanaty kirihitra. Hita ny kitapo sy ny kapan’ilay vehivavy. Nototoana tany ny razana ka ny lohalik’ilay tovovavy no tsikaritra voalohany, nahitana ny toerana nandevenana azy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.