Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nametraka ny filatsahan-kofidiny: nanamafy ny fahavononany amin’ny valim-babena i Dama

Nametraka ny filatsahan-kofidiny: nanamafy ny fahavononany amin’ny valim-babena i Dama


Tsy hihemotra. Efa naneho ny fahavononany ary nanamafy izany tamin’ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina i Dama Mahaleo.
“Nahoana kay ny olona ety, no noana fahavaratra?”. Fanontaniana efa napetrak’i Dama, ampolo taona maro, nialoha izao io, tanatin’ny hirany. Hitondra ny vahaolana, hanentana ny mpiara-belona hifantoka amin’izay amin’ny “valim-babena ho an’i Madagasikara” ity mpanakanto ity.
Fantatra mantsy fa nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena, tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana etsy Ambohidahy, i Dama sy ny mpanara-dia azy, omaly. Fanehoana ny fahavononana hiroso lalina aminy raharaham-pirenena, araka ny efa natsidiny ela io.
Vinan’asa mafonja, mifototra amin’ny valim-babena ho an’ny tany, ny fampivoarana ny olombelona izay mivelona aminy, no ezahin’i Dama voizina amin’izao dingana lehibe nirosoany izao. “Fotoan-dehibe ahafahan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny valim-babena hanorenana an’i Madagasikara io fifidianana io. Miankina amin’izay ny hoe firenena vanona rahampitso”, hoy ny nambaran’ity kandidà ity.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.