Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Poule des As»: hanala vela eo amin’ny kianjan’ny Fosa ny Cnaps Sport

Kitra – «Poule des As»: hanala vela eo amin’ny kianjan’ny Fosa ny Cnaps Sport

 

 Hiditra amin’ny andro faharoa ny «Poule des As», fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Hanafika ny Fosa Jr any Mahajanga ny Cnaps Sport Itasy.

Hotanterahina, rahampitso alahady, ny andro faharoa amin’ny “Poule des As”, taranja baolina kitra. Hampiantrano izany ny kianja Vélodrome Antsirabe sy ny ao Rabemananjara, Boeny. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny any Mahajanga, hikatrohan’ny Fosa Jr sy ny Cnaps Sport. Lalao hiendrika famaranana kely ny an’ny roa tonta. Hanala vela, amin’ity, ny ekipan’Itasy. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany satria efa nifandona teo amin’ny dingana voalohany, tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Resin’ny Fosa Jr, tamin’izay, ny Cnaps Sport.

Mety hanana tombony ny Fosa Jr, hilalao eo amin’ny kianjany ary manoloana ny mpijery azy ireo, saingy ekipa tsy vaovao amin’i Mahajanga ihany koa ny Cnaps Sport. Efa zatra tsara iny faritra andrefan’i Madagasikara iny izy ireo, na toe-tany na kianja, ka afaka hanohitra ny Fosa Jr, amin’ity.

Tsiahivina fa hiady ny lohany aloha, hatreto, ny ekipa roa tonta satria samy manana isa 3 rehefa samy avy nandresy teo amin’ny andro voalohany, herinandro lasa izay. Marihina fa tsy hisy an’i Dax intsony hilalao ao amin’ny Fosa Jr, amin’ity.

Any Antsirabe kosa no hifandona ireo klioba samy resy: ny FC Vakinankaratra sy ny Elgeco Plus Analamanga. Hampiantrano ny Elgeco Plus, amin’ity, ny FC Vakinankaratra. Raha ara-taratasy aloha, heverin’ny rehetra fa manantombo ny Elgeco Plus, saingy ny filalaovan’ny FC Vakinankaratra, ao amin’ny kianjany, no mety hahazoan’izy ireo vahana. Hiady ny fihaonana satria tsy maintsy hitady fandresena avokoa izy ireo mba tsy hahataraiky azy ireo. Ho tompondakan’i Madagasikara mantsy izay ekipa be isa indrindra aorian’ny fifanintsanana, amin’ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.