Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hira ara-pilazantsara: hamoaka ny DVD voalohany ny Mia Praise

Hira ara-pilazantsara: hamoaka ny DVD voalohany ny Mia Praise

 

Hotontosaina, rahampitso tolakandro eny amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy eny Ankadindratombo, ilay antsan-kira fiderana an’Andriamanitra, iarahana amin’ny tarika Mia Praise. Andro lehibe ho azy ireo io, satria fotoana hampahafantarana amim-pomba ofisialy ny fivoahan’ny vokatra voalohany (DVD), mitondra ny lohateny hoe “Hanakaiky Anao”. Io teny io koa no lohahevitra entin’ny fampisehoana.

Araka ny nambaran-dRatobihasina Lovaniaina Miarintsoa, anisan’ny mpikambana ao amin’ny Mia Praise, ahitana hira enina ity rakitsary santatra ity. Volana vitsivitsy izay ny nijoroan’ny tarika ary ity koa ny seho lehibe voalohany hotanterahin’izy ireo. Tsy handeha irery akory ny Mia Praise, amin’io tolakandrom-piderana io, fa hotronin’ny mpanakanto ara-pilazantsara maro. Anisan’ny ho avy ao, ohatra, i Elysa Grp, ny Soul Feo, ny Ambassador of Christ, ry Stephan Group, ny Si-C Group, ny AMPIJM sy ny maro hafa.

Tanjon’ny Mia Praise ny hanaparitaka ny Filazantsara, amin’ny alalan’ny hira, ho an’ny sokajin’olona rehetra. Ratobihasina Haja no mamorona ny ankamaroan’ny hiran’ny tarika, izay miavaka amin’ny gadona “funk”. Marihina fa maimaimpoana io hetsika rahampitso tolakandro, eny Ankadindratombo, io.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.