Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firotsahan-kofidina: nilaza ny hijery ny sosialy ny kandidà Jules Etienne

Firotsahan-kofidina: nilaza ny hijery ny sosialy ny kandidà Jules Etienne

 

Anisan’ny nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny etsy amin’ny HCC Ambohidahy, omaly. “Miavaka aho satria dokotera. Mitsabo fa tsy mamono. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fijerena ny sosialim-bahoaka”, hoy ity kandidàn’ny Madagasikara fivoarana ity. Notanisainy amin’izany ny olan’ny fanabeazana, ny karama, ny sakafo, ny jiro sy ny rano, ny fihanaky ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana… “Efa manana ekipa vonona isika hiara-kiasa hamaha izany olana izany. 10 taona ny niomananay miaraka amin’ny vina sy fandaharanasa mifanaraka amin’izany”, hoy ihany ity minisitra teo aloha ny Indostria ity.  Nohitsiny fa mety samy manana izany vina izany avokoa ireo kandidà rehetra ireo, saingy mampametra-panoniana azy izany. “Iza no tena hahavaha ny olana ? Hoentinay amin’ny fampielezan-kevitra ny andinindininy rehetra”, hoy ny kandidà Jules Etienne.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.