Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana: mijoro ny Voromahery

Fifidianana: mijoro ny Voromahery

 

Miseho masoandro. “Vovonana iray ivondronan’ireo antoko sy sokajin’olona samihafa ny vondrona Voromahery. Resy lahatra izahay ny tokony hanohizana izao fitondrana izao, miaraka amin’ny filoham-pirenena…  Tsy mitovy hevitra na firehana amin’ny HVM izahay fa manohana kosa ny haha kandidà an-dRajaonarimampianina”, hoy izy ireo tetsy Anosy,  omaly. Anisan’ny mandrafitra izany fiarahana izany ny Me Avoko mitarika ny Maf sy ny kung fu. Eo koa ny fikambanana Momva, tarihin-dRakotomavo Lanto, sy ny mpandraharaha vitsivitsy ary ny mpanao politika toa an-dRamamonjisoa Virapin…  Nambaran’izy ireo fa manokatra varavarana ho an’ireo te hiara-kiasa aminy ny Voromahery amin’ny fandraisana anjara ho fampandrosoana ny firenena.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.